Trafika harena voajanahary : Lehilahy iray nosamborina teny amin’ny seranan’Ivato

Malagasy iray, anisan’ny atidoha mpikotrika fitrandrahana antsokosoko harena voajanahary no tra-tehaka teny amin’ny seranan’Ivato. Efa ela nokarohina izy ity amin’ny resaka fandikan-dalàna.

Anisan’ny mpitarika tambajotran-jiolahy mpitran­draka sy mpanondrana antsokosoko harena voajanahary ity lehilahy ity. Anisan’ izany ny sokatra, ny raharaha fa­motsiam-bola sy kolikoly. Voasambotra teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny tenany, ny 31 marsa teo, raha saika hiondrana ho any ivelany. Hatry ny ela no nikarohana azy, noho izy tafiditra amin’ny raharaha fandikan-dalàna maro, izay efa nandalo fitsa­rana avokoa.
Niakatra fampanoavana teny amin’ny Tendrompitsa­rana miady amin’ny kolikoly (Pac), omaly talata 1 avrily ity lehilahy ity, ary naiditra vonjimaika am-ponja avy hatrany eny Antani­mora. Fantatra fa manana zom-pirenena roa izy, malagasy sy kaomoriana.
Tsiahivina fa nisy zana-tsokatra miisa 152, vao tratra teny 67 Ha, ny alin’ny alahady 30 marsa teo. Tratra tao amina tokantrano iray izy ireo, saingy tsy nisy ny olona voasambotra. Natao tanaty valizy roa ireo sokatra ireo, ka azo heverina fa saika hoentina any ivelany. Mandeha ny fanadihadiana. Tsy fantatra na misy ifandrai­sany na tsia ireo raharaha roa nifanesy ireo.

Maro ny efa tratra, mitohy ny trafika

Tsy mety foana ary vao mainka tena mirongatra ny tra­fika sokatra, amin’izao fotoana izao.
Aman-jatony ireo zana-tsokatra tratra, ary azo antoka fa tena tambajotra matanjaka ireo olona manao azy. Etsy ankilany, nanome toky ny minisitra, vaovao, misahana ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, Andriatsihala Luck, fa hanamafy ny ady amin’ny trafika harena voajanahary. Tsy handeferana mihitsy, ka hampihatra ny sazy henjana ho an’ireo mpandika lalàna ny minisitera. Efa maro ireo tratra, fa mbola tsy foana hatreto ireo mpanao trafika.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: