Fampandrosoana ny toekarena : Vonona handraharaha eto amintsika ny tonizianina

Tonga eto Madagasikara, nanomboka ny 31 marsa teo, ny delegasionina tonizianina mpandraharaha hijery fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. Hetsika tafiditra ao anatin’ny “mission économique” atao hatramin’ny 04 avrily, izay tarihin’ny Tunisia Africa Business Council (TABC).

Tanjona ny hanamafy ny fifanakalozana eo amin’ny firenena roa tonta sy hanatanteraka ho tetikasa ireo finiavana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. “Tonga ha­nangana fiaraha-miasa stratejika eto Madagasikara izahay”, hoy ny filohan’ny TABC, i Janis Aziri. Notsin­driny manokana ny sehatry ny fandrahaharana ara-pambolena, ny fa­hasalamana, ny fotodrafitrasa ary ny niomerika. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ireto delegasionina ireto ny hidinika miaraka amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, hihaona amin’ireo Malagasy mpandraharaha ary hitsidika orinasa eto amintsika. Tanjona ny hamaritra ireo sehatra azo hanaovana fifanaraham-piaraha-mi­asa. Nohamafisin’ny filohan’ny Antenimieran’ny Varotra Toni­zia-Madagasikara (CCT M), Ben Romdhane Mohamed Lhabib fa “tanjona ny hitondra traikefa tonizianina amin’ny fahaiza-manaon’ny Malagasy amin’ny sehatry ny angovo maitso, ny niomerika ary ny faharanitan-tsaina artifisialy”.

Mivoatra
Nitombo ihany koa ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tona. Ny taona 2024, nahatratra 8,9 miliara dolara ny entana nafaran’i Madagasikara tany Toni­zia, raha 2,3 tapitrisa dolara kosa ny fanondranana nankany an-toerana. “Mahaliana ny tonizianina ny handraharaha sy hanangana fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ho an’ny tombontsoa ara-toekarena iombonana”, hoy ny filohan’ny Econo­mic Development Board of Ma­dagascar (EDBM), Rafidy Josielle. Miandrandra fampandrosoana ny toekarena ny fi­renena roa tonta satria “manana harena maro i Madaga­sika­ra ary hitondra ny fahaiza-ma­nao ara-indostrialy kosa i Toni­zia”, hoy ny minisitry ny Varo­tra sy ny fanjifana, Andriama­dison Haingotiana. Nilaza izy fa ha­nampy an’i Madagasikara hifaninana eo amin’ny tsena afrikanina ny fananana rafitra ara-toekarena matanjaka. Ankilany, mi­antso ny Malagasy mpandraharaha handray anjara amin’ny fikaonandoha iraisam-pirenena momba ny famatsiam-bola sy ny fampiasam-bola (Fita) atao any Tunis, ny 28 sy 29 avrily, ny delegasionina tonizianina. “Sehatra iray ahafahana manatanteraka ireo tetikasa sy hiantsoana ireo mpamatsy vola io fotoana io”, hoy hatrany ny filohan’ny TABC.

Henintsoa

Partager sur: