Nampahafantarin’ny Alliance Française eto Antananarivo indray ny fisokafan’ny «Bourse à la création 2026». Araka ny anarany, fanohanana amin’ny famoronana zavakanto izy ity, izay misokatra amin’ny Malagasy mpanakanto. Tanjona ny hamoahana tetikasa iray mifototra amin’ny fifanakalozana ara-javakanto, ka ny mozika sy ny sary no ampiarahana amin’ity. Manodidina ny lohahevitra fiarovana ny tontolo iainana ireo forona, ary mila mifandray ireo sary sy ny mozika.
Efa misy mpanao sary roa, ny iray Malagasy ary ny iray Réunionais nofantenana. Hanaovana antso kosa izay tarika iray mpanao mozika mahafeno ny fepetra.
Araka izany, entanina ireo mpanao mozika liana amin’ny tetikasa mba hanatitra ny antontan-taratasy hatramin’ny 17 avrily izao. Izay voafantina eo dia hahazo fanohanana amin’ny famoronana mitentina 8 tapitrisa Ar. Tafiditra ao anatin’io ny saran’ny famokarana sy ny fiketrehana hataon’ireo mpanakanto. Ny 5 hatramin’ny 11 mey no hiketrika izay tarika voafidy eo. Arahina fampirantiana izany ny 1 hatramin’ny 6 jona ary ny 5 jona kosa ny fampisehoana miaraka, hatao ao amin’ny AFT Andavamamba.
Zo ny Aina




