Ilaina ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana hampandrosoana ny faritra tsirairay avy, araka ny nambaran’ny loholona teo aloha, i Vaovao Benjamin. Nanteriny fa ahafahana mampandroso ny faritra sy handrindrana ny fitantanana ny firenena izany. «Anisan’ny mampihisatra ny fitantanan-draharaham-panjakana ny tsy fipetrahan’izany», hoy izy.
Voafidy hisolo tena ny HCC eo anivon’ny biraon’ny Ceni, Rajafetra Abraham. Nahazo 7 tamin’ireo mpifidy 8 izy tamin’ny fifidianana, afakomaly. Marihina fa voatendry ho Prefet an’Antananarivo ny novambra teo ny tenany, nandimby ny Jly Ravelonarivo Angelo. Hametra-pialana amin’izany andraikitra izany izy rehefa mivoaka ny didim-panjakana.
Nanao fanambarana, ny 31 marsa teo, ireo Raiamandreny am-panahy sy fiombonan’ny olobe eto amin’ny firenena. Nohitsin’izy ireo fa tsy vitan’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena fa famonoana ara-moraly sy etika ny vahoaka ireny tatitra navoakan’ny Fitsarana momba ny kaonty ireny. « Tokony hampiharina ny lalàna », hoy izy ireo.
Nandray ireo sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Andriamapandry Todisoa, afakomaly. Voaresaka tamin’izany fa ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny eo anivon’ny minisitera izany ankehitriny. Nohamafisina tamin’ny fihaonana ny fisokafana sy ny fijerena ny tombotsoan’ny mpiara-miasa rehetra.




