Fianarantsoa: Miisa 25 000 ny tantsaha tohanan’ny Folur

Hifantoka amin’ny fametrahana rafitra ara-tsakafo maharitra sy ny fanarenana ny endritany ary ny fanarenana ny rohivoahary ny tetikasa Folur Madagasikara. Any Fianarantsoa, ahitana an’ Amoron’i Mania, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana, ny faritra iasany. Mamatsy vola ny tetikasa ny Tahirim-bola ho an’ny tontolo iainana maneran-tany (Fem7), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) sy ny ao amin’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo, miaraka miombon’antoka amin’ny FAO.
Miisa 25 000 ny tantsaha mpamboly vary sy legioma hisitraka mivantana ny tetikasa, miampy mpamboly kafe 5 000. Hapetraka ny drafi-panajariana sy fitantanana mirindra ny endritany (Pagip) amin’ny velaran-tany mirefy 86 000 ha, miaraka amin’ny fanarenana ala mirefy 10 000 ha.
Notolorana fiara 4×4 maromaro sy fitaovana hanatanterahana ny asany ny tetikasa Folur Madagasikara, ny 1 avril teo, teto Antananarivo. Nanolotra izany ny minisitra Medd, Andriatsihala Lucas, niaraka tamin’ny tomponandrakitra maro.

Njaka A.

Partager sur: