Fifamoivoizana: Taksiborosy 52 sy fiara hafa nosavaina

Hentitra ny fampiharana «tsy misy loza mihitsy na iray aza»! Nidina tany amin’ny la­lam-pirenena RN43 (Analavory -Ampefy-Soavinandriana) sy ny RN1 (Analavory-Tsiroano­mandidy) ny Fitantanam-paritry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (DRTM) Itasy, ny 1 avrily teo. Nanotrona azy ireo ny mpitandro filaminana, Zan­darimariam-pirenena sy ny Poli­sim-pirenena. Antony, anisan’ny tena be mpampiasa mandritra ny fetin’ny Paka toy izao ireo lalam-pirenena roa ireo.
Miisa 52 ny taksiborosy no­savaina ny mombamomba azy sady notiliana ny ara-teknika. Na­hatratra 35 ny Tuc-tuc, fiaran’olon-tsotra 29, kamiao 8 ary moto 30. Niisa 12 ny fiara nandraisana fepetra noho ny tsy fa­narahan-dalàna, toy ny «licence» lany daty na nihoatra ny lan­jan’entana azo entina. Naha­tratra 30 ny Tuc-tuc tsy misy taratasy, na mihoatra ny fetran-danja, na tsy manana patanty. Tsy nanao aroloha kosa ireo ni­tondra kodiaran-droa miisa 15.
Ankoatra ny fisavana, nentanina avokoa ireo fiara sy moto ho fanamafisana ny fanajana ny lalàna eny amin’ny lalam-pirenena. Anisan’ny tena notsindrina manokana ny tsy tokony handraisan’ny mpamily zava-pisotro misy alikaola. Eo koa ny fitandremana amin’ny fijanonana eny amin’ny sisin-dalana. Hitohy any amin’ny distrika hafa ao amin’ny faritra Itasy ny hetsika.

Njaka A.

Partager sur: