Fikasana hifofo ny ain’ny PRRM : Olona 11 naiditra vonjimaika am-ponja

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny, Fitsarana amba­­ratonga voalohany Anosy, ny 31 marsa teo, ny raharaha ma­hakasika ny fikasana hifofo ny ain’ny filohan’ny Fanavao­zana, Randrianirina Michaël. Miampy fanonganam-panjakana ny ve­satra hanenjehina ireo olona 13 voasaringotra tamin’izany, raha ny fanazavana nataon’ny Tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny Fi­tsarana ambaratonga voalohany Antananarivo, Rakoto­niaina Narindra Navalona, omaly. Naiditra vonjimaika am-ponja ny 11 amin’izy ireo, raha napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny ambiny. Fikasana hifofo ny ain’ny filohan’ny Fanaovao­zana, fidirana ao anatin’ny fi­kambanan-jiolahy, fihazonanana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana ary firaisana tsikombokomba no hiampangana ireo rehetra ireo. Nambarany fa efa nomanina tao anatin’ny fotoana lavalava izany. «Tafi­ditra ao anatin’ny fikononkononana sy nanao fandaminana izany, ny kolonely Patrick Rakotomamonjy», hoy ihany izy.
Nahitana fifampiresahana tamin’ny alalan’ny SMS sy ha­fatra miafina tany anaty Whats App ireo voampanga rehetra ireo, raha ny fanadihadiana ha­trany. Nanamafy ireo olona voarohirohy ireo fa vola mitentina 20 miliara Ariary tao anaty kaontin’izy ireo no entina hanatanterahina izany asa ratsy izany. Ankoatra izany, nanao fivoriana matetika izy ireo na­ha­fahana nametraka ny paikady rehetra. Nisy ihany koa ny fisavana ny tranon’ny voampanga, izay nahitana volabe sy fitaovam-piadiana maro. «Ani­san’ny nanamarina izany ny fi­sian’ny manam-boninahitra iray izay efa nidina an-dalambe ka naneho ny fahavonony ha­nongam-panjakana», hoy ihany izy. Mbola misy ireo mbola karohina amin’izao fotoana izao, izay efa namoahan’ny fitsarana didy fampisamborana.

Mino

Partager sur: