Ireo asa vita nandritra ny taom-pikatrohana 2024-2025, manasongadina ny andraikitry ny Mpiahy an-drariny ny vahoaka na ny Mediatioran’ny Repobika amin’ny maha rohy mampifandray ny Fanjakana sy ny vahoaka azy. Izay no nanaovan’ny Mediatioran’ny Repoblika, ny Pr Andrianaivotseheno Ravaka, tatitra tamin’ ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, omaly, tao anatin’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana. Amin’ ny alalan’ny fandraisana sy fitsirihana ireo fitarainan’ny olom-pirenena ary ny fanitsiana ny tsy fetezana eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana izay asa nanaovana tatitra izay. Tamin’izany ihany koa no nitaterany mazava ireo ezaka vita hampanjariana ny fanavaozana ifotony sy ireo vina hikendrena ny fahombiazan’ny asa. Izany dia mba hamafisana ny andraikitra sy hitondrana avo ny toeran’ny andrimpanjakana tarihiny eto Madagasikara sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mifanaraka amin’ny fenitry ny fitondrana tsara tantana sy ny fitsipiky ny Fanjakana tan-dalàna izay fanavaozana ifotony izay.
Tsiahivina fa araka ny voafaritry ny And. 14 amin’ny didy hitsivolana lah. 92-012, tsy maintsy manao tatitra amin’ireo andrimpanjakana ambony momba ny asa vitany sy ny zava-misy iainan’ny olom-pirenena eo anatrehan’ny raharaham-panjakana ny mpiahy an-drariny ny vahoaka.
R. Nd.




