Rongony 700kg nodoran’ny mpitandro filaminana tany Antsohihy, omaly. Marihina fa vokatra azo tao anatin’ny telo volana ireo. Sarona tao amin’ny kaominina maromaro, toa an’Ambalafaminty, Ambodimanary ary Antsahabe, ao amin’ny distrikan’Antsohihy avokoa izy rehetra ireo.
Lehilahy miisa efatra voasambotry ny Polisim-pirenena tany Mahajanga noho ny heloka samihafa, tamin’ity herinandro ity. Tratra nisoloky ny iray, tratra nidoroka «rôrô» ny iray hafa ary tratra ambodiomby nangalatra kojakoja fiara mipetraka eny amin’ny fiantsonana ny roa ambiny.




