Betongolo : Lehilahy tratra nangalatra bisikileta

Lehilahy iray nangalatra bisikileta tetsy Betongolo voasambotry ny polisim-pirenena, omaly maraina tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany tany ho any. Nikasa hangalatra moto iray nipetraka teo akaikin’ny EPP Betongolo ity farany. Nahatsikaritra ny fihetsiny hafahafa ny mponina ka nampandre ny polisy avy amin’ny Kaomisarian’ny Boriborintany fahatelo (CSP3) avy hatrany. Tsy niandry ela fa tonga teny ifotony nijery ny zava-misy izy ireo, taorian’ny antso. Tratra teo am-pikasana hamoaka sy hangalatra ilay moto ny tenany tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro filaminana. Nahitana bisikitela iray teny aminy, izay tsy nahitana taratasy mazava manamarina izany, nandritra ny fisavana natao taminy. Nentina nanaovana fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny kaomisaria ny tenany, taorian’izay. Fantatra nandritra izany fa efa malaza ratsy amin’ny asa fangalarana tahaka izao, ity lehilahy ity. Efa imbetsaka izy no tratran’ny olona manatanteraka izany asa ratsy izany. Nampanndrenesina ny tompon’ny entana very ary nasaina nametraka fitoriana. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izao hetsika izao.

Mino

Partager sur: