Nametraka ny ahiahiny manoloana ny fanendrena ny ho mpikambana eo anivon’ny Ceni ny antoko HVM. Tsy nisalasala ny filoha nasionaliny, Rakotovao Rivo, tamin’ny fanehoan-keviny, afakomaly. Mangataka fanampim-panazavana avy amin’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, na ny tomponandraikitra misahana ny fifidianana ny tenany momba izany. « Manjavozavo ny fomba fanendrena mpikambana eo anivon’ny Ceni amin’izao fotoana izao », hoy izy.
Nohamafisiny fa ilaina ny fiaraha-midinika mialoha, araka ny voafaritry ny tondrozotra. « Ny zava-misy anefa efa hita ho mandeha ny fanendrena ny solontena avy amin’ny Andrimpanjakana sasany. Tena mampisavorovoro saina ny zava-misy momba izany amin’izao fotoana izao », hoy izy.
Anisan’ny nisongadina tamin’ity herinandro ity ny nahavoafidy izany hisolo tena ny HCC eo anivon’ny Birao mpanantanteraka ao amin’ny Ceni, an-dRajafetra Abraham. Nahazo vato fito tamin’ny mpifidy valo. Préfet an’Antananarivo, notendrena ny volana novambra teo, izy nialoha ny nahavoafidy azy ho ao amin’ny Ceni. Efa tsy ho ela ny hanoloran’ny fiarahamonim-pirenena ny olony. Efa nahavita ny azy ny avy amin’ny Holafitry ny mpisolovava, amin’ny alalan’ny Me Rabetokotany Mamy. Andrasana ny avy amin’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), hiditra ho mpikambana eo anivon’ny Ceni.
Etsy andaniny, nambaran’ny filoha nasionalin’ny HVM fa tsy fotoana ho amin’ny fanovana ny vola izao sady tsy tokony hihazakazahana, raha niresaka momba ny hanitsiana ny vola izy. « Maika aloha izao ny famahana ny olana sosialy toy ny fahatapahan-jiro, anisan’ny fototry ny tolona sy nidinana an-dalambe teto amin’ny firenena », hoy izy. Nasiany tsindrim-peo ny mahakasika ny fanovana rafitra lalina eto amin’ny firenena. Ilana fotoana izany fa tsy ho vita ao anatin’ny fotoana fohy, raha ny nambarany.
Synèse R.




