Norobaina sy nampibabena trosa ny firenena nandritra ny fitondrana Rajoelina, araka ny fanambaran’ireo manampahaizana « Cercle de réflexion des élites ». Anisan’izany ilay vola 4 000 miliara Ar natsikafon’ny Fitsarana momba ny kaonty. « Eo koa ireo fifanarahana findramam-bola ivelany miisa 13. Trosa tsy nandeha tany amin’ny vahoaka », hoy izy ireo.
Tokony ho amin’izao fitondrana fanavaozana izao no ho fitaratra amin’ny fanajana ny fisaraham-pahefana raha ny nambaran’ny depiote Mamihaja Charlot. Nohitsiny fa tokony hanokafana fanadihadiana ary hanaporofoana ny tany tan-dalàna ireny ampamoaka mahavoatonontonona ny fahefana mpanatanteraka ireny, araka ny nambarany.
Nisokatra nanomboka ny alakamisy teo ny Magro Behoririka, orinasan’ny filoha teo aloha, Ravalomanana. Nambaran’ny zanany sady tale jeneraly Ravalomanana Mike fa miara-miasa amin’ny mpamatsy entana rehetra izy ireo. « An-dalana koa ny fanokafana ny any amin’ny faritra. Eo ambany fitahian’Andriamanitra sy finoana ny asa rehetra », hoy izy.
Miditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika “Rodorodon’ny fanambaram-pananana”, iarahana amin’ny Bianco. Notanterahana tao Fianarantsoa indray izany, afakomaly, ka nitarika ny hetsika ny tale jeneraly, Razakamanantsoa Gaby Nestor. Nambarany fa fanatanterahana ny voalazan’ny lalàna izany momba ny ady amin’ny kolikoly sy ny mangharahara.




