Kamiao mpitatitr’entana nivadika : Mpanampy mpamily tapaka ny tapany ambany

Nifampisokirana tao anatin’ny kamiao mpitondra entana nivadika, ny lehilahy iray, omaly, teny Manjakandriana. Tery nandritra ny dona ny mpanampy mpamily ka tapaka tanteraka ny tapany ambany. Samy naratra avokoa moa izy sy ny mpamily.

Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, omaly, tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Nitran­ga teo amin’ny PK 42, fokontany Antsakambahiny, lalana tsy lavitra an’i Manjakan­dria­na, ny loza. Kamiao nitondra varim-bazaha no nivadika teo amin’ny lala-mahitsy. Vokany, naratra mafy ny mpamily sy ny mpanampy azy. Efa nalefa any amin’ny hopitaly CHRD Ma­nja­kandriana ilay mpamily taorian’ny loza. Raha toa ka mbola nosokirina tao anatin’ ny fiara, teo anoloana, ny mpa­nampin’ny mpamily, ha­tramin’ny omaly hariva. Naha­ritra ora maromaro ny fisokirana azy satria tery teo amin’ny seza izy. Fantatra fa tapaka ny tapany ambany noho ny dona mafy nahazo azy tao anaty fiara, raha ny fanazavana voaray hatrany. Fiara mpitatitra entana avy any Toamasina, hihazo an’Antananarivo, ity niharan-doza ity.

Nandeha mafy
Nandeha mafy ny mpamily ka tsy nahatana ny familiana. Antony nampivadika ny fiara, raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny mpitandro filaminana avy amin’­ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirene­na. Tsy nisy olana ara-teknika ny fiara fa fandehanana mafy tamin’ny lalana malama no antony nahatonga ny loza, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena. Tsiahi­vina fa vao ny talata 31 marsa lasa teo no nitrangana kamiao nitondra kaontenera nivadika tahaka izao, izay nahafatesana mpianaka sy naharatrana raim-pianakaviana iray.
Ankoatra izay, nisehoana lozam-pifamoivoizana ihany koa tany amin’ny lalam-pirenena fahatelo, teo amin’ny fokontany Analamafana, oma­ly tamin’ny 1 ora tolakandro.
Fiara mpitatitra mampitohy an’Antananarivo sy Anjozo­robe no nivadika. Nandeha mafy ny fiara nefa vaky tampoka ny kodiarana ka nahatonga ny loza. Efa nahazo fampitandremana tamin’ny zandary ny mpamily teo Anka­zondandy mba tsy handeha mafy kanjo izao nivadika izao. Entanina hatrany ny mpamily hanaja ny hafainganam-pandeha sy hanamarina tsara ny kalitaon’ny fiara hoentina mba hisorohana ny loza.

Mino

Partager sur: