Mila tolo-tanana: Mandalo tsy fahasalamana i Honorat

Araka ny vaovao nampi­tain’i Eric Fou Hehy, mandalo tsy fahasalamana i Honorat Herisolomahefa na i Honorat Fou Hehy. Fantatra avy amin’ io antso ho an’ny malala-tanana nataon’i Eric io fa ilana fandidiana maika any am-pitandranomasina ity anisan’ ny zoky sy andrarezin’ny ha­tsikana malagasy ity.
Hisy « urne » hitsangana eo amin’ny Kianjan’Imaha­masina (Barea), handrotsa­hana ny tolo-tanana ho an’i Honorat, amin’ny Alatsinain’ny Paka ho avy izao. Ho avy eny an-toerana i Momota. Misy tahaka izany ihany koa ao amin’ny RDJ 96.6 FM, etsy Analakely, ary ao amin’ny seho Eric Manana ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina, ny 12 avrily izao.
Miantso ireo mpanaraka azy, ireo mpitia ny tontolon’ny hatsikana ary ny olon-drehetra hifanampy mba hahafahana manatanteraka izany fandefasana azy any ivelany izany ny tontolon’ny zavakanto malagasy iray manontolo (mpanakanto, mpanatontosa sy mpikarakara hetsika, fikambanana maro sy ireo mpiara-miasa amin’ny Fou Hehy, sns).

Nanangona :
HaRy Razafindrakoto

Partager sur: