Handball – Mada sokajy zandriny : Hitiliana ireo hanao IHF Trophy

Notontosaina nanomboka ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianjan’ny Ankoay Ankorondrano, ny lanonana fanokafana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy zandriny, Cadet ary Juniors, lehilahy sy vehivavy. Hanana ny lanjany ity fifanintsanana ity. Mandritra izany no hanaovan’ireo teknisianin’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMH) ny fifantenana ny ekipam-pirenena Akio, sokajy zandriny. Hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena « IHF Trophy » aty amin’ny faritra fahafito, izay hatao eto Antananarivo, ny 27-31 mey ho avy izao, ny Malagasy, raha tsy misy ny fiovana farany. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny Federasionina, efa mitsirika sahady ireo mpilalao hiatrika ny lalaon’ny Nosy ihany koa izy ireo amin’ity. Hifarana ny 10 avrily ny fifaninanana ho an’ny zandriny. Tsara ny mampahatsiahy fa aorian’io lalao nasionaly io, hisy fampivondronana roa hataon’ny eo anivon’ny FMH. Ny voalohany hatao ny 12-18 avrily. Hotanterahina ny 16-24 mey kosa ny faharoa, eto Antananarivo ihany. Ankoatra izay, notontosaina ny asabotsy teo ihany koa, teny Ivandry, ny fampiofanana mpitantana ho an’ny rafitra federaly malagasy mitantana ny Handball. Natao tamin’io ihany koa ny fivoriambe tsy ara-potoan’ny federasionina.

F.R

Partager sur: