POESAM 2026: Tanora mpandraharaha asaina haneho hevitra

Natomboka tamin’ny fom­ba ofisialy eto Madagasikara ny andiany faha-16 amin’ny «Prix Orange de l’entrepreneur social en Afrique et au Moyen-Orient (Poesam)». Hetsika karakarain’ny Orange Madagascar hanohanana ny fanavaozana misy fiantraikany ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana. Misokatra hatramin’ny 10 mey 2026 ny fisoratana anarana ho an’ireo mpandraharaha sy mpikarakara tetikasa rehetra handray anjara.
«Natao hanohanana ireo tetikasa mamaly ny olana lehibe ankehitriny, toy ny fambolena, fahasalamana, fanabeazana ary ny tontolo iainana ny Poesam», hoy ny mpikarakara. Hifantoka amin’ny teknolojia vaovao, toy ny faharanitan-tsaina artifisialy “intelligence artificielle” sy ny «big data» ny mpikarakara amin’ity taona ity.
Mizara roa ny fifaninanana. Voalohany, ny dingana nasionaly izay hisafidianana ireo tetikasa telo mendrika indrindra eto an-toerana. Aorian’izay, hiatrika ny sehatra iraisam-pirenena ireo tetikasa voafantina, manomboka amin’ny oktobra 2026.
Ankoatra ny loka mety hahatratra 25 000 Euros, ha­hazo fanohanana manokana ihany koa ireo voafantina. «Tanjona ny hampandroso haingana ny tetikasa sy hampitombo ny fiantraikany amin’ny fiarahamonina», hoy ny mpikarakara ny hetsika.
Tsiahivina fa nitondra vokatra tsara mipaka amin’ny fiarahamonina ny Poesam teo aloha. Nahazo loka ny tetikasa maro toy ny «Mitao Fore­cast Africa», «Rano’O» ary «Plastikôo». Porofo izany fa sehatra iray manan-danja amin’ny fampiroboroboana ny fahaiza-mamorona eto Mada­gasikara ity fifaninanana ity.

Henintsoa

Partager sur: