Hanomboka amin’ity taona 2026 ity ny tapany faharoa amin’ny tetikasa tohodrano Volobe Amont any amin’ny faritra Atsinanana. Folo taona izay no niomanana.
Hifantoka amin’ny fanamboarana lalana sy fotodrafitrasa ny asa voalohany, raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Compagnie générale d’hydroélectricité de Volobe (CGHV), i Rémy Huber.
“Tanjon’ny fanjakana sy ny CGHV ny hanatanteraka ny tetikasa haingana indrindra araka izay azo atao”, hoy izy. Nambarany fa “hatsaraina ny lalana mirefy 45 km, mampitohy an’i Fanandrana sy Ambodilazana ary hatsangana koa ny tetezana 150 metatra eo amin’ny reniranon’Ivondro”. Kasaina hatomboka amin’ny 2027 ny fananganana ny tohodrano. Kendrena ny hahazoana herinaratra voalohany amin’ny 2030 ary hahavita tanteraka ny asa rehetra amin’ny 2031. Na izany aza, misy hatrany ny ahiahy. “Hisy fiantraikany amin’ny fandaharam-potoana ny fiverimberenan’ny loza voajanahary toy ny rivodoza Gezani”, raha ny fanazavany.
Sarany
Hatreto, mbola tsy voafaritra ny saran’ny herinaratra vokarina. “Miankina amin’ny vidin’ny fanorenana sy ny famatsiam-bola izany”, hoy ny tale jeneralin’ny CGHV. Tanjona ny hampihena ny vidin’ny herinaratra sy hanolo tsikelikely ny toby mandeha amin’ny solika. Miankina amin’ny fitoniana eto amin’ny firenena ihany koa ny fahombiazan’ny tetikasa. “Zava-dehibe ny fitohizan’ny asa natomboka”, hoy izy nanamafy. Kasaina hiditra amin’ny renivolan’ny CGHV amin’ny taha 20% mantsy ny fanjakana malagasy. “Manamafy ny fiaraha-miasa ezahina hapetraka hatrany izany”, raha ny nambarany. Orinasa miisa fito, misehatra amin’ny angovo azo havaozina, ankehitriny, no mivondrona ao amin’ny Madagascar Renewable Energy Association (Marea). Anisan’ izany ny CGHV izay afaka mamokatra 120 MW, ampahany lehibe amin’ny filan’ny firenena.
Henintsoa




