VAOVAO TAMBATRA

Maherin’ny 1 tapitrisa ireo hisitraka mivantana ny tombontsoa avy amin’ny “Programme intégré d’assainissement d’Antananarivo 2” (PIAA 2). Tetikasa miompana amin’ny fanamboarana ny lakandrano hisorohana ny tondradrano amina faritra maro eto an-drenivohitra. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo ny dingana voalohany amin’ny tetikasa. Hanombohana azy ny eo Analakely, Antanimena ary Mahamasina. Maharitra 24 volana ny asa hatao ho an’ny tombontsoa maharitra iraisana.

Nijery mivantana ny toerana fanamboaran-tsambo Secren ao Antsiranana ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatra tsy miankina, Raharimanjato Ny Riana Nampoina, ny herinandro teo. Tafiditra ao anatin’ny finiavan’ny fanjakana hamelona ireo sehatra stratejika eto amin’ny firenena ny fitsidihana. Nijery ny zava-misy amin’ny asa fanamboaran-tsambo, ny fahaiza-manaon’ny orinasa ary ny fanamby miandry ny minisitra.

Nitohana tanteraka ny fifamoivoizana tamin’ireo faritra mivoaka ny Renivohitra nandritra ny fety. Velon-taraina ireo mpandeha fiara. Ao ireo nilaza fa lany tao anaty fiara ny fotoana. Marihina fa anisan’ny mampitombo ny fandaniana sy ny fanafarana solika ny fitohanana. Ity farany izay miantraika mivantana amin’ny toekarena.

Partager sur: