Notifirin’ny polisy : Raim-pianakaviana niboraka atidoha !

Dimy andro aty aorian’ny naha voatifitra azy, tsy misy maka eny amin’ny tranom-paty ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray. Potiky ny balan’ny polisy ny lohany, tao Tanambao II. Hatramin’izao tsy fantatra mazava ny antony nitifirana azy.

Maty voatifitry ny polisy ny lehilahy iray ny alakamisy lasa teo, tany Tanambao faharoa, Toama­sina. Niparitaka tamin’ny tany ny atidohany iray manontolo, potika tanteraka ny lohany. Mbola mifamahofaho ny antony nitifirana azy. Andaniny, misy ny milaza fa mpangalatra akoho, tratra ambodiomby izy io. Ankilany, manambara ny mponina hafa eny an-toerana fa mpitarika posy izy. Ny polisim-pirenena anefa mikombom-bava izay hakana vaovao. Milaza izy ireo fa ho fanajana ny rafitra an-tanan-tohatra, tsy maintsy miandry fahazoan-dalana na miandry ny lehibe izy ireo. Ny lehiben’ny polisy anefa hatramin’ny fotoana anoratana, mbola tsy azo an-telefaonina. Samy miandry ny vaovao ofisialy ny mponina ao Tanambao faharoa, manahy ny fitandroana ny filaminana ao amin’izy ireo. Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani dia mandry tsy lavo loha ny vahoakan’i Toamasiana. Man­dry an-driran’antsy amin’ny tsy fandriampahalemana, toy ny vaky trano, ny fanendahana, ary ny hala-boty madinidinika. Ny vahoaka rahateo samy anatin’ny fahasahiranana.

Tsisy maka
Raha ny vaovao avy eny anivon’ny hopitaliben’i Toa­masina, dimy andro aty aorian’ny nahavoatifitra azy, tsy mbola misy maka ny fatin’ilay raim-pianakaviana izay tombanana ho 25 hatramin’ny 30 taona. Manao antso avo amin’ny fianakaviana manana havana tsy hita na mety ho voasaringotra amin-javatra mampiahiahy ny tomponandraikitra mba hijery eny amin’ny tranom-paty. Tsy maintsy miroso amin’ny fandevenana izy ireo rehefa tapitra ny fe-potoana ahafahana mitazona ny razana, araka ny fitsipika mifehy ny asan’izy ireo.

Sajo

Partager sur: