Ny sabotsy 11 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro Antsahavola, « hihira, hikalo, hivetso, hiritsoka, hiangaly amintsika ireo hira noforonin’i Naka Rabemanantsoa amin’ny endriny maha taranaka ny tarika ny Feon’Analamanga », hoy i Lydie Ratefiarison, filohan’ny Sehatra Bagasy. Nanteriny fa tena kanto hampihanoka ny mpijery izay ho tonga eny an-toerana ny seho. Nomarihiny rahateo fa tsy hisy ny vidim-pidirana.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana, ao anatin’ity zarasehatra tarika Feon’Analamanga ihany koa ny sehatra malalaka hifampizaran’ny rehetra. Hifanolorana traikefa hifampitana fahalalana sy fahaiza-mihira na mitendry na fahafantarana tantara momba ny ba gasy.
… Anisan’ny mampiavaka ny tarika Feon’Analamanga ny niompanany sy nironany kokoa any amin’ny famelomana indray ny sanganasan’i Naka Rabemanantsoa. Iray amin’ireo mpamoron-kira nampiaina sy nampiroborobo fatratra ny kalon’ ny fahiny. Saika mifamatotra akaiky amin’ny fiainam-piarahamonina ireo hira nofononiny.
HaRy Razafindrakoto




