TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, omaly, ny mpamilin’ilay fiarabe nitondra kaontenera nivadika sy nianjera tamin’ny fiaran’olona teny Manjakan­driana, izay nahafaty renim-pianakaviana iray sy ny zanany vavy, ny herinandro lasa teo.
Lehilahy lehibe iray manodidina ny 60 taona, hita faty tetsy akaikin’ny farmasia Volahanta, omaly hariva. Tonga naka ny razana sy nanatitra izany teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny avy amin’ny BMH.
Simba ny ankamaroan’ny entana tao anatin’ny trano fivarotana miisa dimy may tao amin’ny faritry ny Tsena Pochard, omaly vao mangiran-dratsy. Naharay antso avy amin’ny tsara sitrapo ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra. Voafehy ny afo 43 minitra taorian’ny tranga.

Partager sur: