Navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) tamin’ny fomba ofisialy ny “courbe des taux de référence” ho an’ny Ariary, nandritra ny lanonana natao teny Antaninarenina. Nanamafy izany ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ireo banky enina mpandray anjara.
“Ny courbe des taux dia mampiseho ny rafitry ny tahan’ny zanabola amin’ny fifanakalozana eo amin’ny banky amin’ny fotoana fohy, arakaraka ny faharetan’ny trosa”, hoy ny fanazavan’ny lefitra voalohan’ny Governoran’ny BFM, Rabearivony Niaina, omaly. Nambarany ihany koa fa “tsy misy antoka ireo fifanakalozana, ary misy taha roa ampiasaina. Ny BID ho an’ny mpindrana ary ny ASK ho an’ny mpampindrana”. Hanomboka ny 5 mey ny dingana andrana ary haharitra enim-bolana. Banky enina no mandray anjara amin’ity dingana voalohany ity. Ahitana ny Bred Madagasikara Banque populaire, Bank of Africa Madagascar, BNI Madagascar, BMOI Groupe BCP, ny MCB Madagascar ary ny AFG Bank Madagascar. “Hisy maturités na durée de vie d’un prêt ou d’un emprunt ampiasain’ny banky amin’izany toy ny hoe iray andro, roa andro, herinandro, iray volana ary telo volana” araka ny nambaran’ny talen’ny fampiharana ny politika ara-bola ao amin’ny BFM, Rajaonarivelo Henri. Fototra hanombanana sy hamaritana ny sandan’ny fifanakalozana ara-bola io courbe io, raha ny fanazavany hatrany.
Fanapahan-kevitra
Isan’andro, manome ny tahany ireo banky mpandray anjara, eo anelanelan’ny 10 ora sy 11 ora maraina, ary avoaka amin’ny 11 ora sy 15 minitra izany taha izany. Ity rafitra ity dia hanamora ny fanapahan-kevitra ara-bola sy hanatsara ny mangarahara amin’ny famatsiam-bola, raha ny fanazavana voaray. Ankoatra izay, heverina hanampy amin’ny fanombanana ny fivoaran’ny harinkarena sy hampitomboana ny karazana tolotra ara-bola vaovao eto amin’ny firenena ity fitaovana vaovao ity.
Henintsoa




