Tonga niantsona tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, teo amin’ny “Quai C4” ilay sambo lehibe GSL Arcadia, mirefy 277 m. Mbola izy ihany koa no sambo lehibe voalohany nampiasa ny ampahany vaovao amin’ity fotodrafitrasa mirefy 333 m ity. Miomana handray sambo lehibe kokoa i Toamasina, amin’ny alalan’ity fotodrafitrasa ity. Tetikasa natao hanamafisana ny anjara toerana stratejika ho an’ny fampandrosoana ny toekarena.
Hotanterahina ny 14-17 mey, ao amin’ny Domaine du Coq Noir, ao Suèvres any Frantsa, ny “Gasyk’Art Manja 2026”, andiany voalohany. Hisongadina mandritra ny efatr’andro ny fahaiza-manao sy ny sakafo mampiavaka ny Malagasy. Fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny hetsika. Hisy ny fihaonan’ireo Malagasy sy vahiny mpandraharaha mba hisian’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta sy ny hisarihana mpampiasa vola samihafa.
Nanomboka ny 6-10 avrily ny iraka teknika ataon’ny Organisation de l’aviation civile internationale (Oaci) eny anivon’ny Aviation civile de Madagascar (ACM), Ivato. Tanjona ny hanohanana sy hanamafisana ny mpiasa eny an-toerana, indrindra amin’ny fanaraha-maso sy ny fampiharana ny fenitra iraisam-pirenena eo anivon’ny Aviation civile. Tetikasa izay tafiditra ao anatin’ny fanatsarana sy hanaovana laharam-pahamehana ny fiarovana ana habakabaka.




