Vokatra fanondrana : Natao lavanty ny lavanilan-dRavatomanga

Natao lavanty ampahibemaso tao amin’ny efitrano fitsarana ambony ao Toamasina, ny 26 marsa teo, ny lavanilan’ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy. Vokatra tao anatina kaontenera miisa 15, nihitsoka tao amin’ny seranan-tsambo tao an-toerana. Nitarika ny hetsika ny sampandraharaha misahana ny famerenana ny harena sy vola azo amin’ny tsy rariny ho anatin’ny kitapom-bolam-panjakana. “Acompte sur les recouvrements des avoirs illicites ” (Arai). Ambany ny vidiny nahazoan’ireo mpandraharaha ny vokatra. Voalaza ihany koa fa tsy mahalala ny fomba fikirakirana sy ny fomba fitehirizina izany ireo nividy izany. Ankilany, nilaza ny loharanom-baovao fa manodidina ny 12 000 ka hatramin’ny 20 000Ar ny hamarotan’ireo mpandraharaha nahazo ny tolobidy tamin’ny Arai. Ankoatra izay, manahy mafy amin’ny mety hanaratsy endrika ny vokatra ireo mpandraharaha noho ireto vokatra ireto mbola mando sy lenan’ny orana.

Sajo

Partager sur: