«African Music Icons» 2026. Ny Lamako Events no hitarika sy hikarakara ity andiany ity eto Madagasikara, araka ny fanendrena nataon’ny Mshales Entertainement, mpikarakara ao Afrika Atsimo. Afaka mandray anjara avokoa na ny Malagasy, mpanakanto eto an-toerana na ireo any ivelany. Firenena miisa 54 no miara-misalahy amin’ito taona 2026 ito. Faritra atsinanan’i Afrika ny sokajy misy an’i Madagasikara. Aorian’ny fifanintsanana isaky ny sokajy, hahatratra 15 ireo mpanakanto avy amin’ity sokajy ity hiatrika ny fifaninanana isam-paritra. Miisa 19 kosa ireo sokajy ahafahana mandray anjara: mozika nentim-paharazana, gospel, rap, Rnb, slam, sns. Ny sokajy teknika toy ny famokarana rakikira na fanatontosana rindrantsary (clip)…
Alefa amin’ny «www.afrimic.com» ny fisoratana anarana sy ny taratasy ilaina amin’izany. Ny momba ilay mpanakanto, sariny am-perinasa. Omeny ihany koa ny rohy YouTube ahitana ireo sanganasany. Ny 30 avrily ny farany fandefasana ny fandraisana anjara. Ny volana jona 2026 no hamoahana ny anaran’ny mpanakanto na tarika hiaro ny voninahitr’i Madagasikara.
HaRy Razafindrakoto




