Ceo Summit 2026 : Hotanterahina manomboka anio

Tanterahina androany sy rahampitso, etsy amin’ny Novotel Ivandry, ny Ceo Summit, andiany faharoa. Hetsika ara-toekarena goavana aty amin’ny ranomasimbe Indianina izy ity. Hivondrona amina toerana iray ireo mpisehatra ara-toekarena maro avy amin’ireo firenena manodidina sy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Tanjona ny hampifandray ny vina, hampiroboroboana ny toekarena. Hisongadina mandritra ny hetsika ireo fifanakalozana stratejika sy atrikasa maherin’ny 20. Horesahina mandritra ny roa andro ny fampiasam-bola, ny fiaraha-miasa ary ny fampandrosoana. Hivoitra ao anatin’izany ny lanja ara-toekarena ananan’i Madagasikara izay azo hiaraha-miasa sy hiombonana antoka. Ho voaresaka mandritra ity andiany faharoa ity avokoa ny seha-pihariana rehetra. Hahazo vahana ny fandraharahana amin’ny famokarana mitodika amin’ny tsena. Lohahevitra anisan’ny mahasarika ireo mpisehatra ara-toekarena. Marihina fa hitondra famelabelaran-kevitra mandritra ny hetsika ireo manam-pahaizana maro eto an-toerana sy avy any ivelany.

Henintsoa

Partager sur: