Fampisehoan’i Eric Manana sy Jenny : Hanampiana an’i Honorat ny vola azo

Rehefa hesorina ireo fandaniana amin’ny fikarakarana ilay seho. Fantatra, omaly, fa hanampiana an’i Honorat (Fou Hehy) izay tojo tsy fahasalamana ny vola ho azo amin’ny fampisehoana hotanterahin’i Eric Manana sy Jenny ary ny Feo Gasy ao amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy ko­lontsaina, ny alahady 12 avrily izao. Hisy ihany koa «urne» hapetraka eny an-toerana amin’io fotoana io. Atolotra ho fanampiana ny fitsaboana an’i Honorat ihany koa ny vola ho azo amin’izany. Hisy ampaham-potoana, hisokatra ho an’ireo mpanakanto vonona ny hanolotra ny talentany ny sehatra, mandritra ity fampisehoana ity.

Marihina fa afaka miantso mivantana an’i Eric Fou Hehy izay hanolotra fanampiana ho an’ny fitsaboana an’i Honorat. Misy ihany koa ny «urne» mipetraka ao amin’ny RDJ analakely. Nanaovan’ny Louvto Compagny mpikarakara ity fampisehoana ity sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ary ireo mpanakanto maro antso ny tokony handefasana faran’izay haingana an’i Honorat hotsaboina any ivelany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: