Mitentina 183 tapitrisa dolara ny vola mety ho azon’i Madagasikara ao anatin’ny Facilité élargie de crédit (FEC) sy ny Fonds pour la résilience et la durabilité (FRD) an’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI). Vita omaly ny iraka momba ny fanombanana fahatelo sy fahefatra ireo fandaharanasa vita. Mbola misy ny tetikasa mila jerena manokana mialoha ny hanolorana ny antontan-taratasin’i Madagasikara eo anivon’ny filankevi-pitantanan’ny FMI amin’ny volana jona.
Manao tohivakana ny famatsiana herinaratra ao Toamasina taorian’ny fanambarana nataon’ny fanjakana momba ny fidirana amin’ny hamehana ara-angovo mandritra ny 15 andro. Mifanohana ireo mpisehatra mpamatsy herinaratra any an-toerana. Kendrena ny hamokarana 25MW sy hanohanana ny filàn’ny Jirama. Mifanolo-tanana ireo mpisehatra hanafainganana ny fanarenana ny tambajotra fitsinjarana.
Hanohana an’i Madagasikara sy hanamora ny fifampiresahana mba hanafoanana ny fampiatoana antsika eo anivon’ny Vondrona afrikanina i Maraoka. Nivoitra izany, nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny masoivohon’i Maraoka, Mohammed Benjilany, momba ny fiaraha-miasan’ny roa tonta amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny fifanakalozana ara-barotra.




