Vehivavy 33 taona nakarin’ny fokonolona tao anatin’ny rano teny amin’ny fokontany Ambaniala, kaominina Itaosy, ny alarobia 8 avrily teo, tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro. Nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa tao anatin’ny rano izay tsy lavitry ny lalam-bahoaka ny olona teny amin’ny manodidina. Vehivavy nanao akanjo miloko volondavenona sy pataloa volontany io hita efa tsy nisy aina intsony io. Nakarin’izy ireo an-tanety avy hatrany ny vatana mangatsiakan’ilay ramatoa. Niantso ny tomponandraikitry ny zandarimaria miasa ao Ambohimamory ny sefo fokontany. Nidina ifotony niaraka tamin’ny mpitsabo, nanao fizahana an’ity olona hita faty ity, ny tomponandraikitra. Nahitana mangana ny faritry ny vatany, araka ny fizahana nataon’ny mpitsabo. “Fahasemporana tao anatin’ny rano no nitarika ny fahafatesan’io olona io”, hoy ny mpitsabo. “Tsy nisy ratra ny tenany nandritra ny fitiliana natao”, hoy ny fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana. Tsy nahitana taratasy nirakitra ny mombamomba azy teny amin’ilay ramatoa. “Tsy mponina eny an-toerana izy rehefa natao ny fanadihadiana”, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary. Ahin’ireo mponina eny an-toerana ho olona nentin’ny rano avy any Atsimo io olona io. Efa nalain’ny fianakaviany ny vatana mangatsiakany io. Voalaza fa mponina avy ao amin’ny kaominina Andranonahoatra.
Tsiferana R.




