Manakaiky ny mpanjifa sy vonona hanome ny tsara hatrany ny Cosmos. Nisokatra nanomboka omaly, etsy Andrefan’Ambohijanahary, ny magazay faha-20 hanomezana fahafaham-po ny rehetra. « Hita ety an-toerana avokoa ireo vokatra maro isan-karazany mampiavaka sy namantarana ny magazay hatramin’izay », hoy ny tomponandraikitry ny seraseran’ny magazay, Ralimina Felana. Midadasika sy manara-penitra ny efitrano ka ahafahan’ny mpanjifa mahita sahady ireo moto, tuk-tuk, Quads sy fitaovana misy môtera isan-karazany vantany vao miditra ny magazay. Manana ny tolotra isan-karazany mamaly ny filan’ny tsirairay sy ny mpisehatra samihafa ny Cosmos. Vaovao sy tsara kalitao ary mifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny tsirairay ny entana amidy mba hitsinjovana ny mpanjifa, raha ny fanazavana hatrany. Misy, araka izany, ny fihenam-bidy hatramin’ny 50% amin’ireo vokatra sasany. Ankoatra izay, maimaimpoana ny fanaterana ny entana, ny fametahana ary ny fiantohana ara-barotra manerana ny Nosy. Toy ny fanaony hatramin’izay, misy ny tolotra varotra amin’ny alalan’ny « crédit Mirindra » hanamora ny fanjifana ny entana tsikelikely hatramin’ny 30 volana.
Henintsoa




