FANTINA sy FINTINA

Voatendry ho Préfet de police eto Antana­narivo ny administratera sivily Andriasy Vonjy Maminjanahary. Tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha izany. Efa sefo distri­kan’Ambatolampy sy Antanifotsy ny tenany nialoha izao fanendrena izao. Tsiahivina fa voafidy ho mpikamban’ny Ceni ny Préfet teo aloha, Rajafetra Setraniaina.
Niavaka ny tao amin’ny minisitera misahana ny Fanavaozana tamin’ny fanendrena tomponandriki-panjakana ambony. Miisa 38 ireo voatendry tamin’ny filankevitry ny minisitra ka ahitana tale jeneraly, sekretera jeneraly, mpandrindra, tale foibe sy ireo talem-paritra. Tsiahivina rahateo fa minisitera vaovao amin’izao Fanavaozana izao izy ity.
Hitohy any Antsiranana indray ny hetsiky ny antoko Tim ho fifampiarahabana noho ny taona vaovao. Ho avy any an-toerana, ny sabotsy izao, ny filoha nasionaly sady mpanorina ny antoko, Ravalomanana Marc. Voalaza fa efa eo am-pandaminana ny pitsompitsony rehetra ny any an-toerana. Efa an-dalana koa ireo delegasionina avy amin’ny birao foibe…
Hovahantsika samy Malagasy ny olana amin’ny resaka angovo, araka ny nambaran’ny Pr Sofofo Jonis. Mamokatra menaka mavesatra 8 000 baril isan’andro ny ao Tsimiroro. « Afaka hanafoanana ny olan’ny famatsiana herinaratra eto amintsika. Efa nisy ny tolo-kevitra ny amin’ny famadihana ireo menaka mavesatra. Ilaina dinihina ny lalàna », hoy izy.

Partager sur: