Mpihira manana ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no mandalo eto Madagasikara. Hanatanteraka fampisehoana, anio, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Hitazona ihany koa ny maha izy azy.
Fampanantenana lehibe roa sosona no azon’ireo mpankafy ny sanganasan’i Gazo sy La Fouine, omaly. Andaniny, avy any amin’ny Nas Prod mpikarakara ny fampisehoana, anio, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina sy ireo mpiara-miasa aminy. Ankilany, avy amin’i La Fouine haneho ny talentany ho an’ny Malagasy.
Amin’ny ankapobeny, manana lenta sy lanja iraisam-pirenena ity fampisehoana hotanterahin’i Gazo sy La Fouine, anio, ity. Ny fitaovana sy ny kirakira rehetra mifandraika amin’izany. Eo koa ny lamina isan-karazany, nampanarahina ny fenitra iraisam-pirenena. Nambaran’i La Fouine, omaly, fa hitondra hira vaovao izy ary haneho ihany koa ireo sanganasa efa mahazatra sy nahafantarana azy hatramin’izay. Hafaliana ho azy ny hizara ireo ho an’ny tanora malagasy. Marihina fa hanafana ny sehatra ihany koa i Basta Lion sy Zakai, Mbints JMSH sy DJ Natoo.
Mialoha ny hiakaran’izy ireo ny sehatra, hisy ny « Tremplin » izay ahitana ireo tanora mpanakanto. Fantatra fa nanao ezaka lehibe ireo tanora mpanakanto ireo nanatevim-pahalalana sy nampitombo ny talentany. Noho izany, mila sehatra ivelarany, raha ny fanazavana omaly. Tanora rahateo ny ampahany maro amin’ireo mpankafy ny sanganasan’ireto mpanakanto ireto.
HaRy Razafindrakoto




