CEO Summit Indian Ocean : Miroso ny asa sy ny fiaraha-miasa ara-toekarena

Nifarana omaly, tao amin’ny Novotel Antananarivo, ny andiany faharoa an’ny « CEO Summit Indian Ocean » notanterahina nandritra ny roa andro. Miroso amin’ny asa ny rehetra hampivoarana ny toekarena, amin’ny alalan’ny vokatra azo tsapain-tanana.

Fanapahan-kevitra telo lehibe no nankatoavina nandritra ity fihaonana natao ny 9 sy 10 avrily ity. Eo ny fananganana ny Vovonana ifanakalozana ara-toekarena eo amin’ny faritra mba hampifandray ireo mpisehatra sy hanafaingana ny fiaraha-miasa. Manaraka izany, hapetraka ho ivon’ny paikady ny fandraharahana amin’ny fambolena mitodika amin’ny tsena (agribusiness) ho antoka
amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo sy ara-toekarena. Hatsaraina ihany koa ny «innovation et intelligence économique» mba hanamafisana ny fandraisana fanapahan-kevitra. Nanamarika ity CEO Summit ity ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa lehibe. Voalohany, ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra avy ao Ginea Konakry sy ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana malagasy, miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina hanokafana lalana vaovao amin’ny indostria sy ny fampiasam-bola. Toy izany koa, ny fiaraha-miasa eo
amin’ny Economic Develop­ment Board of Madagascar sy La Réunion Développement izay manamafy ny fifandraisana ara-toekarena.

Vonona ny sehatra tsy miankina
Nanamafy ny filohan’ny Sendikan’ny indostria eto Ma­dagasikara, Rasamimanana Tiana fa «zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena afrikanina sy ny fampiharana ny fampihodinana ara-toekarena eto amin’ny faritra». Tsy maintsy mifanindry an-dalana, hoy izy, ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina ary ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Nanome toky ny tenany fa «vonona ny sehatra tsy miankina. Mila manaraka izany ny mpitondra fanjakana. Fotoana izao ha­naovana asa fa tsy kabary in­tsony». Hatao any La Réunion, amin’ny 2027, ny andiany manaraka amin’ny CEO Sum­mit, izay antenaina hanamafy sy hampiseho vokatra mivaingana.

Henintsoa

Partager sur: