Nahitsy ny depiote Rabenirina Mamy fa mifototra amin’ny fanapahan’ny HCC ny fijoroan’izao fitondrana izao. Efa nanazava ny mpitondra momba ny azo sy ny tsy azo atao amin’izao fotoana ho an’ny fanavaozana izao, manoloana ny fitakian’ny tanora handravana ny Antenimiera. «Tokony hanaja izany ny rehetra», hoy izy.
Tsy vahaolana ny fidinana an-dalambe sy ny fanakorontanana lava amin’ny endriny samihafa, araka ny nambaran’ny depiote Ramananarivo Orlando. Nanteriny fa tokony hiandry fifidianana ireo tanora manana vina ho an’ny firenena. «Aza mitady seza mora amin’ny alalan’ny fanakorontanana firenena. Aoka isika tsy ho voarebireby…», hoy izy.
Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny antoko Isika mpandresy, tarihin-dRazafimandimby Rija Ethel. Nambarany fa ilaina ny fanovana goavana eto amin’ny firenena. «Anisan’ny tena tokony hapetraka amin’ny toerany ny fanaovana politika», hoy izy, tamin’ny fikaonandohan’ny antoko politika atao etsy Mahamasina, hatramin’ny anio.
Nanomboka ary haharitra telovolana ny fisoratana anarana biometrika «Enrôlement biométrique » ho an’ny ao Toamasina, renivohitry ny Faritra Atsinanana. Dingana lehibe ho an’ny faritra sy ny firenena izany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. «Ahazoan’ny isam-batan’olona ny laharana tokana famantarana, tsy hitoviana amin’ny hafa», hoy izy ireo.




