Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy ny fitabatabana no hanendrena ho minisitra”

Mitarika hetsika an-dalambe ireo tanora Gen Z fa hoe tsy voatendry ho minisitra? Mamaly ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy ny fitabatabana no hanendrena ho minisitra”.

Valin-teny avy hatrany… “Manentana ny tanora mba hianatra ny politika tena izy. Fa tsy hoe mitabataba eny amin’ny tambajotran-tserasera; avy eo, mametraka antontan-taratasy ho minisitra”. Io ny valin-tenin’ny filohan’ny Fa­navaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny mpanao gazety teny Androhi­be, omaly, manoloana ny hetsiky ny tanora Gen Z nidina an-dalambe. Rehefa tsy voaray ho minisitra, satria mifanohitra amin’ny eritreritry ny filoha izany: ny fitabatabana eny amin’ny tambajotran-tsarasera ve no hanendrena ho minisitra fa tsy ny fahaizana? Raha hanakorontana, ho hita eo raha ha­naraka ny Malagasy. Tsy hanaraka an’izany izy. Ny zava-misy eto Madagasikara, misy karamain’ny mpanao politika. Ho hita eo ny hanaovana azy… Tsy ho voafitaka amin’ny sarin­tsarin-javatra ny Malagasy, nefa vola no raisina any ambadika sy avy any ivelany.
“Mpiasam-bahoaka isika, natao hanompo fa tsy hotompoina. Tokony ho vonona amin’izany isika, matoa nisafidy ho mpiasam-panjakana”, hoy ny hafany amin’ny maha ray mpiahy azy ny andiany fahafito, Tafita, sy ny andiany fahavalo, Hiratra, teny amin’ny Enam, Androhibe, omaly. Ny sampandraharam-panjakana mahomby dia miorina amin’ny fahatokisan’ny olom-pirenena ary miantoka izany fahatokisana izany izy ireo. Mila manana fanetren-tena mandrakariva, alavitra ny kolikoly izay tarazo sy fahalovana manaratsy endrika ny asam-panjakana sady anisan’ny fototry ny fahantrana eto Madagasikara.
Ny tena manimba ny firenena sy ny vahoaka dia ny fieritreretana hatrany ny fananam-panjakana ho fananan’ny tena manokana. Izay no mahatonga ny fanaovana kolikoly. Ny fiaram-panjakana, ohatra, itondrana fianakaviana, gonin’arina, kitay…

R. Nd.

Partager sur: