Minisitra Razafimanantsoa Hanitra: « Manana ny toerany eto amin’ny firenena ny tanora »

Efa an-dalana amin’ny fa­natanterahana ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora ny eo anivon’ny minisitera mi­sahana ny Fanavaozana sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena. Itovizan’ ireo minisitera hevitra fa entina hiatrehana ny fikaonandoham-pirenena ny tahaka izao ka manao tantsoroka amin’izany izy ireo. Namba­ran’ny mi­nisitra, ny Me Razafimanan­tsoa Hanitra, fa resy lahatra amin’ny tanora ny tenany. «Tena manana ny toerany lehibe eto amin’ny firenena ny tanora ka rariny raha hikaon-doha manokana izy ireo», hoy izy, tetsy Ivandry, omaly.
Nampahafantarin’ny minisitra, Rasambany Alain Desiré, kosa ny fomba entina hanatanterahana io fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora io. Efa voarakitra tanaty antontan-kevitra izany. «Tanaty fomba fiasa mampiaty no nandrafetana izany antontan-kevitra izany ka nandray anjara tao avokoa ny solontenan’ny tanora, ny solontenan’ny minisitera samihafa ka anisan’izany ny minisitera misahana ny fanavaozana», hoy izy.
Manohana ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora ny eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU) ary nampiseho fahavononana izy ireo amin’izany. Anisan’izany ny fanoritana ny lalana tokony hi­zorana mba hahafahana mampirindra ny fanohanana ara-bola, araka ny nambaran’ny solontena maharitry ny Pnud, i Anthony Ngororano, ta­min’izao fihaonana izao. Nanamafy ny avy amin’ny Unicef, Christine Jaulmes sy ny solontena maharitra lefitry ny Fnuap.
Tsiahivina fa hatao eny amin’ny CCI Ivato, ny 14 avrily izao, ny fikaonandoham-pirenena, ho an’ny tanora.

Synèse R.

Partager sur: