Hotanterahina ny 24-26 avrily, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny “Salon du digital et de l’innovation de l’Océan Indien, andiany faharoa. Hetsika natao hampivondronana sy hampahafantarana ny vokatra ataon’ireo mpisehatra amin’ny teknolojia niomerika izy ity. Omen-danja manokana ireo tanora, startups, mpisehatra anatin’izany, hizara sy hitondra ny fahaiza-manao amin’ny alalan’ireo robotika sy vokatra samihafa nataony. Hisy, araka izany, ny varotra fampirantiana ny vokatra efa misy. “Hisy, ihany koa, ny vokatra natokana ho an’olon-tsotra, mpandraharaha ary ho an’ny fanjakana”, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny All Com Event, Raveloarison Tsilavina Alain, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika, ny alakamisy teo. Miara-miaina sy mivoatra amintsika isan’andro ny teknolojia. Mampiasa izany avokoa ny ankamaroan’ny olona, ohatra, ny finday. Ho an’i Madagasikara manokana, efa miroborobo eto amintsika ny niomerika, maro ireo miasa sy mandraharaha ao anatin’izany. Ankilany, manohana ny hetsika toy izao ny Yas Madagascar ho an’ny fampiroboroboana ny niomerika eto amin’ny firenena. Fa indrindra mba hahafahan’ny tsirairay misitraka ny tombontsoa sy ny soa fanararaotra azo avy amin’izany. Hisy koa ny fifaninanana samihafa mandritra ny telo andro hanaovana ny hetsika. Ankoatra izay, hisy «Speed Recruting” handraisana ny CV an’ny tanora sy fihaonana mivantana amin’ireo orinasa samihafa, ao anatin’ireo ny orinasa avy any ivelany manana rantsamangaika eto Madagasikara.
Henintsoa




