Anisan’ny mbola takina sy andrasana amin’izao governemanta izao izay notakina teny an-kianja, nahatongavana amin’ity hoe fitondrana Fanavaozana. Tsy inona izay fa ny sosialim-bahoaka. Eo, ohatra, ny famatsian-jiro sy rano, ny famoronana asa, ny vidim-piainana, ny fandriampahalemana… Hatramin’ny fanamboaran-dalana, ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota… Lasa fanamby! Mby aiza? Fiteny mandrakariva amin’izao ny hoe mila miova aloha vao manova. Tsy vita mora izany, indrindra amin’ity hoe minisitra “choc choc”: takina vokatra eo no ho eo sy mivaingana.
Amin’izany, mila manova fomba fiasa: manana fahasahiana amin’izay atao fa tsy miandry baiko, matoky tena fa tsy mitsapatsapa, tsy mihemotra na miverin-dalana… Tsy moramora ary tsy vetivety ny manova na manavao izay efa raiki-tampisaka lalina sy maharitra hatramin’izay. Tsy misy izay fandrosoana na fivoarana raha tsy manova: fantatra izay atao sy izay mety ho vokany. Mila fanazavana izany, fandresen-dahatra, fifampitokisana…Iza no manao inona? Fanapahanan-kevitra tomponandraikitra izany, fa tsy miandry ny hafa na manilika aminy izay mety ho fahavoazana na tsy fahombiazana.
Tena tomponandraikitra? Tsy manaiky raha tsy tanteraka izay nolazaina sy nokasaina… mamatotra ny tena. Mitana ny teny nomena. Amin’izany, manara-maso sy miandrandra vokatra ary saro-piaro amin’ny raharaha ny vahoaka… antom-pisian’ny mpitondra. Safidy mazava koa ny fandraisana andraikitra. Tsy nisy fanerena na fanozonana. Fitiavan-tanindrazana no mibaiko, famonjena vahoaka no antony. Fanovana sy fanavaozana koa izay fa tsy tombontsoa manokana ny fandraisana andraikitra. Tena faharesen-dahatra sy hambom-po hampandroso amin’ny fanovana sy fanavaozana? Ny vokatra no hitsarana an’izay…
R. Nd.




