Nohadiadian’ny mpitandro filaminana, nandritra ny ora iray ny Jly Ramakavelo Desiré. Efa nody any an-tokantrano avy hatrany ny tenany sy ny vadiny taorian’izany famotorana natao azy ireo, tetsy amin’ny BC Anosy. Tsiahivina fa nahazo fiantsoana ny faran’ny herinandro teo izy mivady ary tonga namaly izany.
Nanome toromarika ireo mpikatroka Tim tao Antsiranana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, ny asabotsy teo. Nambarany fa manana ny maha izy azy ny Tim any an-toerana fa ilaina ny fanatsarana. « Hapetraka ny paikady hiatrehana ny fifidianana fa handray anjara isika… », hoy izy. Nanteriny fa ilaina ny fanaraha-maso iny Tondrozotra iny.
Nandefa solontena teny amin’ny Primatiora Mahazoarivo ireo tanora Gen Z, ny faran’ny herinandro teo. Naneho fahavononana hifampiresaka manoloana ny fitakian’izy ireo ny handravana ireo Andrimpanjakana, HCC, Ceni, Antenimiera… Sady mbola nidina an-kianja koa anefa izy ireo, tonga teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny sabotsy teo.
Vaky sy mizarazara ireo eo anivon’ny Gen Z. Naneho ny heviny ny sasany fa miandry ny fikaonandoham-pirenena ny fanovana hatao eto amin’ny firenena. Mitsipaka marindrano ny hetsika ataon’ny Gen Z sasany izy ireo. Hatao rahampitso any Ivato koa anefa ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny tanora.




