Fikaonandoham-pirenena: Namaky lay ny tany Antsirabe II, Faritra vakinankaratra

Notanterahina tao Tsarafara sy Tsarafiraisana ny fikaonandoha fampiharana, niarahana tamin’ny minisitera misahana ny fanavaozana. Nitarika izany tany an-toerana ny tomponandraikitra voalohany, Me Razafimanatsoa Hanitra.

Manomboka ny fikaonandoahna isan-tsokajiny, hoentina ma­molavola ny tena fanavaozana. Nisantatra izany, afakomaly, ry zareo avy ao amin’ny distristrikan’Antsirabe II, faritra Vakinankaratra. Noha­ma­fi­sian’ny minisitra, Me Razafi­manantsoa Hanitra, fa eny ifotony no hanaovana ny fanangonan-kevitra. “Any anivon’ny fokontany ny fikaonandoha fampiharana atao amin’izao. Amin’izany no ahitana hoe: avokoa ve ny karazan’olona izay voalaza sy efa neritreretin’ny minisitera mpiahy ny fikaonandoha? Mandray anjara avokoa ve izy ireo, mavitrika, inona no andrasany, ahoana ny fihetsiny… ?”, hoy izy.
Nahatratra 600 ny mpandray anjara. Afaka ny namoaka ankalalahana ny tao am-pony izy ireo. ”Any amin’ny fokontany no ivon’ny fampandrosoana. Ny fokonolona no tena tomponandraikitra. Tsy maintsy homena vahana izay ireo satria izy ireny no tena mahalala ny olana iainany. Izy koa no mahalala ny vahaolana, ary izy no avela hitantana ny hoaviny”, hoy hatrany ity minisitra ity.
Rafitra

Misy ny rafitra isaky ny vo­n­drona eny anivon’ny fokontany. Samy mametraka ny azy ny isam-paritra. Aorian’izay vao miakatra tsikelikely amin’ny rafitra antanan-tohatra izany, ary mipaka eny anivon’ny minisiteram-panjakana. Efa misy ny fitaleavana ankapobeny, mandray sy mamadika ny hevitra rehetra. Avadika tahirin-kevitra, hoentina miasa izany.
Aorian’izay, haravona any amin’ny fikaonandoham-pirenena ny soso-kevitra rehetra. Misy hampidirina any amin’ny fandrafetana ny Lalàm­pano­renana sy ny lalàm-pifidianana izy ireny.
Araka ny fanazavana, hitohy eny anivon’ny kaominina sy ny distrika, ary ny Faritra ny fikaonandoha mandra-pahatonga any amin’ny sehatra nasionaly.

R. Nd.

Partager sur: