Nisy ny fe-potoana 15 andro napetraka, hamerenana amin’ny laoniny ny herinaratra ao an-tampo-tanànan’i Toamasina, vokatry ny fandravana nataon’ny rivodoza Gezani, farany teo. Tsy mora ny asa, satria tena be loatra ny fahasimbana hita. Na izany aza, tsy mikely soroka, manamafy ny ezaka atao ny orinasa Enelec, miantoka ny famokarana herinaratra any an-toerana, hamatsiana ny Jirama, miaraka amin’ny mpisehatra rehetra voakasika.
Araka izany, hiverina amin’ny laoniny tsy ho ela, afaka andro vitsy, ny famokarana angovo, mahatratra 25 MW, araka ny filan’ny Jirama. Hisy koa fifanarahana hatao, iarahana amin’ny Jirama sy ireo mpiara-miombon’antoka samihafa, handrindrana ny famerenana amin’ny laoniny ny tambajotra famatsiana herinaratra.
Orinasa sy mpanjifa tsotra
Taorian’ny zavatra simba vokatry ny fandaolovan’i Gezani, nifantoka tany amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny famokarana angovo any Toamasina, ny Filatex Energy, amin’ny alalan’ny Enelec. Mitohy izany, ankehitriny, amin’ny alalan’ny fiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny Jirama, hiantohana ny fitaterana, ny fanapariahana ary ny famatsiana herinaratra any amin’ny mpanjifa vaventy, toy ny orinasa ary indrindra ny isan-tokantrano.
Njaka A.




