Trafikan-tsokatra : Vehivavy iray tratra nisandoka ho polisy

Nisandoka ho polisy, nandritra ny roa taona ny vehivavy iray mpanao trafikan-tsokatra. Nahatrarana fanamiana maro tao aminy. Anisan’ny tompon’antoka tamin’ilay raharaha nahatrarana sokatra miisa 152 teny 67 Ha ny 30 marsa izy.

Mivoatra ny raharaha ! Nisy zana-tsokatra, ka­­razana «Astro­che­lys» miisa 152 natao tanaty valizy roa, tratra tao amin’ny tokantrano iray teny 67 Ha ny alin’ny 30 marsa teo. Tsy mbola fantatra ny olona tompon’antoka tamin’izany. Nan­deha ny fanadihadiana lalina, nataon’ny minisiteran’ny Ton­tolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), ta­min’ny alalan’ny Fitantanana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Dulc). Tra-tehaka ny 9 avrily teo ny vehivavy iray anisan’ny tompon’antoka amin’ity raharaha sokatra ity. Natolotra teny amin’ny Rafi-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC) ny tenany ary naiditra vonjimaika am-ponja avy hatrany, ny 10 avrily.

Misy mpiasam-panjakana voarohirohy
Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa nisandoka ho polisy ity vehivavy ity, efa tato anatin’ny roa taona. Nataony izany, nentiny nanamorany ny asa ratsiny, fanondranana sokatra an-tsokosoko any ivelany. Tao anatin’ny fanadihadiana koa no nahafantarana fa misy mpitandro filaminana sy mpiasam-panjakana, teratany malagasy sy vahiny, voarohirohy amin’ity tambajotra mpanondrana sokatra an-tsokosoko ity. Efa eo am-pikarohana azy ireo ny minisitera sy ny mpitandro filaminana.
Tsiahivina, fa fanamby lehibe apetraky ny minisitera amin’izao fotoana izao, ny fanamafisana ny vina napetraka, amin’ny tsy handeferana amin’ny fomba rehetra ireo mpanao trafika ny harem-pirenena sy ny harena voajanahary sarobidy. Ao anatin’izany ny handravana ny tambajotra sy ny fampiharana ny lalàna, hanasaziana mafy ireo olona tratra tsy asiana fanavahana. Tsiahivina fa sokajiana heloka be vava ny fitrandrahana, ny fitaterana, ny fitazonana biby arovana, toy ny sokatra eto amintsika.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: