Trano iray nirehitra tampoka vokatry ny fifampikasohan’ny herinaratra teny Ambohimanarina, omaly. Voafehy tao anatin’ny minitra vitsy ny firehetana noho ny fahatongavan’ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina. Tsy nisy aina nafoy.
Notanana vonjimaika am-ponja ireo mpiasa roa avy eo anivon’ny orinasa Jirama tao Miarinarivo Itasy, ny 4 avrily teo. Nanome taratasy hosoka nahafahana namoaka entana an’ny orinasa izy ireo.
Foanana ny paositry ny zandarimaria ao Marofinaritra taorian’ny tranga nahafatesan’olona iray, ny herinandro lasa teo. Tsy maintsy ho saziana izay zandary nahavita heloka, hoy ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, Jly Mbina Nonos izay tonga tany an-toerana.




