VAOVAO TAMBATRA

Feno 90 taona ny 10 avrily teo ny zotran-dalamby FCE, mampitohy an’i Fianarantsoa sy i Manakara. Notsindrian’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Andrianavalona Herizo, nandritra ny fankalazana tany Fianarantsoa, fa hatao laharam-pahamehana ny fanarenana ireo fotodrafitrasa, hanomezana aina vao ny FCE. Faritra roa, Ma­tsiatra Ambony sy Fitovinany no andalovan’ity zotran-dalamby, niorina ny taona 1936 ity.

Ho hamafisina ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana, ny lalam-pamokarana volamena sy ny fanamafisana ny fiandrianam-pirenena amin’ireo harena an-kibon’ny tany an’i Madagasikara. Manampy izany, nivoaka ny didim-panjakana mamaritra ny rafitra ampiharina amin’ireo tetikasa sy ny fifanarahana ataon’ny fanjakana amin’ny tsy miankina, mahakasika ny harena an-kibon’ny tany.

Natao ny 10 avrily teo, ny atrikasa mahakasika ny tetikasa PARRC. Fotoana nivorian’ny Komity mpitari-dalana (Copil) sy ny Komity teknika (Cotech), nanaovana tombana ny fizotry ny tetikasa. Nahafahana nijerena ny zava-bita sy ny lafiny mila hatsaraina eo amin’ny minisitera voakasika sy ny mpisitraka ny fameranam-bola amin’ny lafiny fitsaboana. Hifarana amin’ny jona 2026 ny iraka ataon’ny Expertise France, manohana ara-teknika.

Partager sur: