Nandefa taratasy momba ny tsy fiatrrehany ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimierampirenena amin’ny filohan’ ity Andrimpanjakana ity ny depiote Andriamananoro Augustin. Noho izy tsy eto an-toerana amin’izao fotoana izao no antony. Naneho fialan-tsiny ofisialy izy ary nilaza fa manohana ny fanapahan-kevitra horaisin’ny Antenimierampirenena mandritra ity fivoriana ity.
Etsy andaniny, miisa roa ireo depiote am-perinasa, tsy tazana tamin’izao fanokafana ny fivoriana, omaly, izao teny Tsimbazaza. Anisan’izany ny depiote, Raholdina Naivo. Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny boriboritany fahadimy ny tenany. Tsy niatrika izany koa ny solombavambahoaka ho an’ny boriborintany faharoa, eto Antananarivo, Rakotomanga Lanto.
Ankoatra izany, noraisina sy nosalorana samboady ireo depiote vaovao miisa dimy nisolo ireo noesorina. Anisan’ izany ny solombavambahoakan’ny distrikan’Isalo ; Sylvain Claude, ny depiote Heriniainatia Solofomanana, solombavambahoaka voafidy tao Mahajanga I, ny solombavambahoaka avy ao Toliara I, Maharanty Rakotonandrasana Jean de Dieu, ny depioten’Analalava, i Manako Gerum ; ny avy ao Mitsinjo, ny solombavambahoaka, i Mena Edvin ary Randrianarison Rivo Setra, depioten’ny distrikan’i Soavinandriana.
Tsiahivina fa natao hihainoana sy handinihan’ny Antenimierampirenena ny fandaharanasan’ny Fanjakana Fanavaozana entin’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana izao fivoriana tsy ara-potoana izao. Eo koa ireo volavolan-dalàna laharam-pahamehana na koa ireo vary mangatsiaka, lalàna tsy mbola nolaniana tamin’ny fivoriana teo aloha.
Synèse R.




