Clarisse Ratsifandrihamanana : Hampahafantarina ny mombamomba ny mpanoratra

Homarihina amina hetsika maro ny faha-100 taona nahaterahan’ny mpanoratra Clarisse Ratsifandrihamanana. Nampisalorana ny anarany ny efitrano fampirantiana etsy Ambohidahy.

Nisokatra ho an’ny daholobe, nanomboka omaly, ny fampirantiana ny mombamomba ilay mpanoratra sy poeta Clarisse Ran­dri­amampandry Ratsifan­driha­manana. Nampitondraina ny anarany rahateo ny efitrano lehibe fanaovana fampiran­tiana etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy, ho fanamari­hana ny faha-100 taona nahaterahan’ity oloben’ny literatiora teto Madagasikara ity.

Ny sora-piainany, ny dingana vitany ary ny sanganasan’i Clarisse Ratsifandriha­ma­nana no haranty mba ho fantatry ny taranaka aty ao­riana. Nisy ny famintinana fohy efa nataon’ny solonte­nan’ny fianakaviana, ho an’ ireo nanatrika ny lanonam-panokafana. Nisongadina tamin’izany fa boky maherin’ ny 30 no nosoratany, ka ny 7 tamin’ireo nahazoany loka tamina fifaninanana avokoa. Nivelatra tamina lohahevitra maro izy anatin’ireo sanganasany, saingy nampiavaka an’i Clarisse Ratsifandrihamanana ny fifehezany, ny fitiavany aty ny fampitiavany ny teny mala­gasy.
Haharitra hatramin’ny 8 mey izao ny fampirantiana etsy amin’ny Trano Sary. Mbola maromaro kosa ny he­tsika anatin’ny fankalazana, ka akaiky indrindra ny antsa tononkalo iarahana amin’ny Havatsa Upem, ny 22 sy 24 avrily izao. Hanaraka avy eo ny fampahafantarana ny mpanoratra amin’ireo hetsika ara-kolontsaina manodidina ny boky sy ny vakiboky.

Zo ny Aina

Partager sur: