FANTINA sy FINTINA

Anisan’ireo voatazona eny amin’ny BC Anosy i Herizo Gen Z, araka ny nambaran’ny depiote Raje­rison Antoine. Nanamarina ny zava-nisy teny an-toerana ny tenany, omaly. Nambarany fa ilaina ny fifampiresa­hana. « Hampitombo ny disadisa ny fisamborana ka takianay ny hamoahana ireo tanora, niara-nitolona hatrany am-boalohany ireo », hoy izy.
Hentitra ny nambaran’ny filohan’ny Anteni­mierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny. “Rai­sinay ho fanakorontanana tsy hanatanterahana ny fikaonandoha hisian’ny fifidianana, andrasan’ny vahoaka ny fitakiana fandravana ireo rafitra mijoro ara-dalàna”, hoy izy tamin’ny fanokafana ny fivorian’ny Antenimiera, omaly teny Tsimbazaza.
Tsy tokony hiverina amin’ny korontana intsony isika, araka ny nambaran’ny depioten’Isandra, Ralam­bozafy Raoto. Nohitsiny fa tsy vahaolana in­tsony ny korontana. « Ny fitadiavana vahaolana no tokony hatao manoloana izao fitakian’ny tanora (Gen-Z) izao », hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny nitolona ho an’ny fano­vana koa ny depiote.
Anisan’ny nanaovana andrana amin’ny fikaonandoham-pirenena ny herinandro teo ny tao amin’ny fokontany, Tomboarivo, Antsirabe I. Nialoha izany ny tao amin’ny fokontany Tsarafara sy Tsara­firaisana anatin’ny kaominina Ambano any amin’ny distrika Antsirabe ll. Nihainoana ny hetaheta sy ny feon’ny rehetra avy amin’ ny herivelona izany.

Partager sur: