« Sahia manova”! “Na dia efa hita taratra aza ny ezaka ataon’ny fitondrana Fanavaozana eo amin’ny fotodrafitrasam-pampandrosoana, toy ny lalana, ny jiro, ny rano sns, dia mbola tsy vita ny tolona, indrindra ny toe-tsaina. Amin’ny maha tomponandraikitra voafidim-bahoaka anay dia hivondrona ho vato izahay, hiray hina, hanatanterahana ny fanovana eny ifotony sy hanomezana ny vahoaka ny tamberin’andraikitra”. Nandritra ny nivahinianany tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto
an-dRenivohitra no nilazan’ny filoha mpitarika ny FBF, Randrianamboariny Jean Pierre, ben’ny Tanànan’Ambatomarina izany, tamin’ny faran’ ny herinandro teo. Tamin’izany koa no nanaovany antso avo, nanairany ny hambompom-pirenen’ireo ben’ny Tanàna rehetra sy ny olom-pirenena, ho sahy handray andraikitra sy hanova. Nanentana ihany koa izy ny amin’ny fahasahiana hiady ho amin’ny fanovana ireo fifanarahana mamohehitra nampahantra ny firenena hatrizay.
Tsy misy fifanoherana
“Tsy misolelaka akory fa amin’ny maha mpanatanteraka eny ifotony anay dia hanohana tsy misy fetra ny Fanavaozana, mandra-pipakan’izany any am-bilanin’ny isan-tokantrano, ny FBF”, hoy ny ben’ny Tanànan’ Ankiabe Salohy, distrikan’i Mandritsara, sady Sekretera jeneraly lefitra, Croidys Armand, raha nanontaniana momba ny tanjona politika, antony nidirany ho FBF izy. Ity farany izay niara-nivahiny tamin’ny filohan’ny FBF ihany koa. Tsy mbola olona aloha izao no tohanana, hoy izy, fa ny fanavaozana ny rafitra. Tsy natao hanohitra koa, aminy, ny ben’ny Tanàna, fa hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nanentana ireo ben’ny Tanàna namana koa izy hanatevina ny FBF, hanovana ny toerana omena azy ireo ankehitriny sy ny fomba fifampitondrana eo amin’ny samy tomponandraikitra sy olom-boafidy. Efa misy ny Fanavaozana, raha ny nambarany, raha tsy hiteny afa-tsy ny nampiakarana ny tetibolan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, izay tsy nisy afa-tsy 5% amin’ny tetibolam-panjakana izany teo aloha. Raha tsy miainga eny ifotony mantsy dia tsy ho tanteraka ny Fanavaozana. Toy izany koa ny mba hanomezana sehatra bebe kokoa ny eny ifotony amin’ny fikaonandoham-pirenena, hanapahana ny hoavin’ny kaominina manoloana ny tsindry sy antsojay niainan’izy ireo hatrizay.
Claude Eric





