Miisa efatra ireo masoivoho noraisin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël teny Ivoaloha, omaly. Samy avy amin’ ny firenena Eoropeanina avokoa izy ireo.
Nanolotra ny taratasy manendry azy avy hiasa eto Madagasikara ireo ambasadaoro avy amin’ ny firenena Eoropeanina ireo. Anisan’izany ny masoivoho vaovao an’i Autriche, Romana Konigsbrun. Hisahana ny raharaha ara-diplaomatika momba an’i Madagasikara honina atsy Pretoria. Nambarany fa vonona hanamafy ny fiaraha-miasa amintsika eo amin’ny lafiny toekarena sy ny kolontsaina, izy ireo.
Vahiny faharoa, noraisin’ ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ny ambasadaoron’ ny fanjakan’i Danemark, Signe Winding Albjerg. Honina any Kampala fa sady hisahana an’i Madagasikara koa ny tenany. Masoivoho fahatelo kosa ny avy amin’ny Repoblika Tchéque, honina atsy Pretoria, Thomas Ulicny.
Fiaraha-miasa eo amin’ny fiarovam-pirenena
Notsiahiviny fa efa maherin’ny 50 taona ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta. « Vonona izahay hanamafy izany. Anisan’ny hiompanan’ny fiaraha-miasa ny eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny fiarovam-pirenena », hoy izy.
Ambasadaoro fahefatra noraisin’ny Kly Randrianirina Michaël ny avy amin’ny Repoblikan’i Protugal, Carlos Antonio Rico da Costa Neves. Hiasa sy honina atsy Pretoria kosa ary hisahana an’i Madagasikara. Niompanan’ny dinika nifanaovan’ny roa tonta ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE). « Voaresakay koa ny momba ny fiaraha-miasa marolafy. Anisan’izany ny tetikasa momba ny angovo azo havaozina sy ny fizahantany », hoy izy.
Tsiahivina fa masoivoho avy amin’ny firenena Tandrefana avokoa ireto noraisin’ny filoham-panjakana teny Iavoloha ireto ary samy manana ny tanjany eo amin’ny toekarena avokoa.
Synèse R.




