Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana: “Ady folo no atrehina hanatanterahana ny PGE”

“Folo ny ady manokana tsy maintsy atrehina hiroso­ana amin’ny fanavaozana sy hampiraisana ny Malagasy, izay iraka napetraka amin’ny fanatanterahana ny PGE”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana ta­min’ny fanolorana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ho amin’ny Fanavao­zana, teny amin’ny Anteni­mi­e­rampirenena, Tsimbazaza, omaly. Anisan’izay ady folo izay ny famatsian-jiro sy rano, ny fandriampahalemana, ny famokarana amin’ny sehatra rehetra, ny fotodrafitrasa, ny famoronana asa ho an’ny tanora. Eo koa ny fanjakana tsara tantana itakiana vokatra sy ny fampandraisana anjara, ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana miantraika amin’ny vahoka, ny demokrasia.
Lalan-tsaina hanatanterahana izany : Ny Malagasy rehetra aloha no jerena amin’ izay atao, vao ny tombontsoa manokana. Manaraka, ny ady amin’ny kolikoly sy ny heloka voaomana mialoha. Ao anatin’ izay, ohatra, ny famotsiam-bola sy ny fanodinkodinam-bola, fanondranana zava-mahadomelina… Tsy atao mahazatra fa an-kafetsena ny ady atao: tsy ny olona no enjehina, fa ny vola nanaovana sy azo aminy tsy hahazoana manao kolikoly amin’ny manaraka. Ny kolikoly amin’ny fampiasana fahefana no mampalaky kokoa ny ady: atomboka any ambony ny fanadiovana. Horavana ny ampihimamba sy ny fanagiazana Fanjakana hahazoana miasa amim-pitoniana. Eo koa ny fifampiresahana amin’ny fi­tantanam-panjakana. Tsy mety ny manao ideolojia tokana. Tsy maintsy mifampihaino amin’ny fanatanterahana asa. Takina ny tamberin’andraikitra ho an’ny vahoaka. Tsy tokony hisalasala amin’ny fanitsiana raha ilaina. Farany, tsy lalaovina fotoana: desambra 2027, efa tokony ho vita ny fanavaozana hitantana ny olona izay voafidy eo. Tsy maintsy vita ny asa, tokony hatao eo ho no eo.

R. Nd.

Partager sur: